« Mondial » vehivavy2023 : hiady ny amboarabe i Angleterre sy i Espagne

Hotanterahina rahampitso 20 aogositra ny lalao famaranana ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja baolina kitra, vehivavy. Hiady ny amboara volamena amin’izany i Angleterre sy i Espagne. Fihaonana hatao ao amin’ny kianjan’ny Accor Australie. Araka ny fikarohana natao, hanomboka amin’ny 1 ora atoandro, ora aty amintsika, ny lalaon’ny roa tonta. Tsiahivina fa ny ekipan’ i Angleterre, nanilika an’i Australie, tamin’ny isa 3 no ho 1, nandritra ny manasa-dalana, raha toa ka resin’i Espagne, tamin’ny isa 2 no ho 1, i Suede. Ankoatra izay, hotontosaina anio, ny fiadiana ny medaly alimo. Hihaona amin’izany i Suède sy i Australie, mpampiantrano. Lalao atao ao amin’ny kianjan’ny Suncorp Australie.
Tsara ny mampahafantatra fa i Angleterre, nandrombaka ny fiadiana ny tompondakan’i Eoropa, ny taona 2022.

Fitia

Fandaharan-dalao anio sy rahampitso :
Famaranana kely (Medaly alimo):
11 ora atoandro : Suède vs Australie
Famaranana lehibe (Medaly volamena)
1 ora atoandro : Espagne vs Angleterre

Partager sur: