Fiara mpitatitra roa tra-doza: niampatrampatra ny faty, olona 20 namoy ny ainy

Sesilany ny lozam-piarakodia teny amin’ny lalam-pirenena, ny faran’ny herinandro teo. Olona 10 no fantatra fa indray namoy ny ainy raha sivy kosa naratra mafy. Io no vokatry ny lozam-piarakodia nitranga tao Marovoalavo Beforona, RN 2, Pk 155+900, omaly tamin’ny 4 ora folakandro.

Taksiborosy hiakatra aty Antananarivo avy any Toamasina no notrongisin’ny kamiaobe iray hidina hihazo an’i Toamasina. Araka ny tatitra nampitain’ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria ao Moramanga, olona fito indray maty tsy tra-drano raha telo kosa namoy ny ainy tany amin’ny hopitaly. Mafy ny fifandonana satria latsaka tany anaty hantsana ireo fiara mpitatitra roa. Nivadika tamin’ny sisin-dalana kosa ilay kamiaobe. Tampoka ny fiavian’ny loza satria nifanaraka ireo taksiborosy roa no notsenain’ity ka­miaobe ity tampoka tao anaty fiolahana. Somary nangalatra lalana rahateo ity fiarabe ity. Vokany, nivadibadika tany anaty hantsana ireo fiara mpitatitr’olona roa. Nisy tamin’ireo mpandeha no voatsindry tao anaty fiara ankoatra ireo tafapitika teny ivelany. Niampa­tram­patra ny fatin’ireo niharam-boina. Marihina fa 40 km miala an’i Moramanga ny ta­nànan’i Marovoalavo raha 10 km avy eo Beforona. Ireo zandary niaraka tamin’ireo olona teo an-tanàna no nifanome tanana tamin’ny fandefasana ireo naratra nihazo ny hopitalin’i Moramanga sy ny CSB 2 Beforona. Ao anatina kaoperativa roa samihafa mpanao fitaterana mihazo an’i Toa­masina ireto niharan-doza ireto. Samy nahitana fahapotehana avokoa ireto taksiborosy roa notrongisin’ny kamiaobe ireto. Mitohy hatrany ny fanentanana ataon’ny zandary amin’ ny tokony hanajana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana eny amin’ny lalam-pirenena.

J.C

Partager sur: