Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny SAG, teny Anosibe, omaly atoandro, ny jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana. Nifanehatra tamin’ny polisy nanao fanamiana sivily ity jiolahy ity ka noraisim-potsiny rehefa avy nanendaka. Raikitra ny fifanenjehana ka tsy lasa lavitra izy dia tratra. Mbola hita tany aminy ny finday halatra avy nangalariny tamin’io fotoana io. Natolotra ny polisy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahadimy eny Mahamasina izy hanohizana ny fanadihadiana. Fantatra fa anisan’ireo jiolahy malaza ratsy amin’ny fanendahana eo Anosy hatreny Anosibe izy ity. Na ireo mpandeha fiara na ireo mpandeha an-tongotra efa tratrany avokoa, araka ny fanazavany, nandritra ny fanadihadiana savaranonando nataon’ny polisy.
Saika matin’ny fitsaram-bahoaka koa ny jiolahy mpanao fisolokiana ao amin’ny fokontany Sanfil, Morondava. Tratran’ny fokonolona nanao asa fisolokiana izy omaly atoandro ihany koa. Nifanenjehan’ny olona ka raikitra teo ny fanaovana fitsaram-bahoaka. Haingana ny fahatongavan’ny polisy naka azy fa raha tsy izany namoy ny ainy ity jiolahy ity. Nahitana finday sy puce maromaro fanaovany asa ratsy tany aminy nandritra ny fisavan’ny polisy.
J.C