Tonga nanohana ny ekipa avy any amin’ny faritany misy azy avy ny mpijery baolina tetsy Mahamasina, omaly. Notoloran’ny filoha omby avy ireo faritany enina nandray anjara.
Nifarana, omaly, tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny fiadiana ny amboaran’ny filoha, “Coupe du Président 2023”, taranja baolina kitra. Azon’ny ekipan’Antananarivo ny lelavola 20 tapitrisa Ar sy ny omby vositra rehefa lavon’izy ireo tamin’ny isa 1 no ho 0 i Toamasina. Tonga nanolotra ireo fanomezana ireo teny an-toerana ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry. Raha hiverenana ny lalao, nifandanja tanteraka ny fanafihana ho an’ny roa tonta. Anisan’izany ny daka “coup –franc” an’i Bertho, irakirak’Antananarivo, teo amin’ny minitra faha-40. Efatra minitra taorian’io (44 min), nahazo fanafihana tsara ihany koa i Toamasina rehefa tafaporitsaka i Gyldas ka nahavita nanolotra an’i Angelo, saingy voadonan’i Nounou izany. Araka izany, ady sahala 0 no ho 0, ny isa nentina niala sasatra.
Teo amin’ny fidirana faharoa, nisy ny fampidirana mpilalao ho an’ny andaniny sy ny ankilany. Anisan’ireo niditra tamin’izany i Navalona, mpilalaon’Antananarivo. Nahavita tolotra tsara ho an’
i Ravaka indray ny tenany rehefa namakivaky vodilaharana telo. Voatery namingana an’i Ravaka i Patrick na i Mainty, mpiandry haraton’i Toamasina, ny minitra faha-83 ka lasa “penalty”. Novonoin’i Bertho izany, 1 no ho 0 ny isa nisarahan’ny roa tonta, nandresy ny teto an-drenivohitra.
Ankoatra izay, nahazo lelavola 10 tapitrisa Ar avy tamin’ny filoha Rajoelina Andry, i Toamasina. Marihina fa nahazo omby vositra iray avy ireo faritany enina nandray anjara tamin’ity fifaninanana ity. Tsiahivina fa i Fianarantsoa no nahazo ny laharana fahatelo.
Fitia
Hoy izy ireo :
Rasoanaivo Titi, mpanazatran’Antananarivo
“Faly tanteraka, nahazo ny amboara ary tsara ny vokatra ho an’Antananarivo. Tsara ny fifaninanana toy izao, saingy tsy ampy ny fotoana nanomanana azy ka sarotra ny nanaovana ny fifantenana ny mpilalao. Mangataka izahay, ny mba hanaovana ny Coupe du Président ho an’ireo tanora latsaky ny 23 taona (U23).”
Tsalo, kapitenin’i Toamasina
“Resin’Antananarivo izahay, saingy nahafa-po ny ezaka vita tamin’ity fifaninanana ity. Lesoka hita ny resaka tanjaka teo amin’ny fidirana faharoa. Niezaka nanafika sy nampiditra ny baolina ihany izahay fa tsy tao aminay ny vintana.”
Ramisamanana Lova, mpikarakara
“Afa-po tanteraka tamin’ny fifaninanana izahay ary vita hatramin’ny farany izany. Misaotra ny filoham-pirenena isika nanolotra amboara sy vola ho an’ireo mpandray anjara. Azo lazaina fa nampiray ny Malagasy rehetra ity fifaninanana ity.”