Rugby à VII lehilahy – Fifanintsanana (JO 2024): hidona voalohany amin’i Madagasikara i Tunisie

Hotanterahina ny 16 septambra ho avy izao, ao amin’ny kianja Harare Sport Club, ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby lalaovina olona 7, sokajy lehilahy. Handray anjara amin’izany ny Makis de Madagascar. Raha ny fandaharam-potoana, hifanandrina voalohany amin-dry zalahy, i Tunisie. Ny elefantan’i Côte d’Ivoire ny lalao faharoa ary i Afrika Atsimo, ny fihaonana fahatelo.
Tsiahivina fa hanana ny lanjany lehibe ity fihaonana ity, satria hiadiana ny tapakila hiatrehana ny lalao Olympika, tanterahina any Frantsa ny taona 2024. Tsy vaovao amin’ny Makis ireo mpifanandrina aminy ireo fa efa hain-dry zalahy tsara. Efa tafiditra ao anatin’ny fanomanana izany fihaonana goavana izany, ity la­laon’ny Nosy, tanterahina eto Madagasikara afaka hadimiana, ity. Vonona ny Makis de Madagascar hiatrika izany. Nanambara, rahateo, izy ireo fa hiezaka ny handrombaka ny medaly volamena amin’ity lalaon’ny Nosy ity, no haka ny tapakila hiatrehana ny lalao Olympika.

Tompondaka

Partager sur: