Nifarana omaly alahady, tao amin’ny kianja Stadium Sydney Australie, ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja baolina kitra, sokajy vehivavy. Voahosotra ho tompondaka ny Furia Roja, Espagne, rehefa nandresy ny Three Lions, Angleterre, tamin’ny isa tokana 1 no ho 0. Baolina tafiditr’i Olga Carmona, kapiteniny, teo amin’ny minitra faha-29.
Voalohany eo amin’ny tantaran’ny baolina kitra vehivavy any Espagne ny nandrombahan’izy ireo, ny amboara volamena. Naneho ny fahavononany handresy hatrany am-boalohany ny Espagnole. Nametraka ny paikadiny ny mpanazatra ary niezaka nifehy ny lalao teo ambony kianja. Tsy nihafihafy mihitsy nanoloana ny anglisy, tompondakan’i Eoropa. Nanafika hatrany ary nahay niaro tena koa.
Diso fanantenana ny anglisy, ary tsy nanam-po mihitsy ny endri-dalao nasehon’ny Furia Roja. Na izany aza, nosahiranin’ny anglisy ry zareo, teo amin’ny fizaram-potoana faharoa. Sesi-lany ny fanafihana nataon’ ny Three Lions, saingy nahay i Cata Coll, mpiandry tsatoby nanakana ny dakan’i Hemp sy i Russo. Nanampy trotraka ny fidiran’i James, izay nampitombo ny fanafihana anglisy fa voatohany hatrany ny dakany.
Minitra faha-69, nahazo “penalty” ny Furia Roja saingy tsy matin’i Jennifer Hermoso izany. 13 minitra ny fe-potoana fanampiny, saingy tsy nety nahatafiditra baolina mihitsy ny anglisy. 13 taona taorian’ny nahazoan’ny Furia Roja, lehilahy, ny amboara eran-tany, nandrombaka izany i Espagne, tamin’ny alalan’ny vehivavy.
Nahazo ny laharana fahatelo, i Suède rehefa nandresy an-dry zareo Australie, mpampiantrano, tamin’ny isa mazava, 2 no ho 0. I Allemagne sy i Espagne izany no hany firenena nahavita nandrombaka ny amboara eran-tany teo amin’ny sokajy lahy sy vavy.
Tompondaka