Lavon’ny bala ny telo tamin’ireo dahalo mpaka an-keriny nokarohina tao amin’ny distrikan’Anjozorobe, ny 19 aogositra teo. Tratra ireo mpiray tsikombakomba.
Maty voatifitry ny zandary nandritra ny fifandonana ny dahalo sady mpaka an-keriny telo lahy tao amin’ny kizo Marotsingala, fokontany Antanetibe, kaominina Beronono, distrika Anjozorobe, afakomaly. Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana noho ny trangana fakana an-keriny niseho tao amin’io distrika io, nihaodihaody tao amin’ny kizo ireo olon-dratsy. Raikitra ny fifandonana. Nitondra fitaovam-piadiana ireo mpaka an-keriny. Nitifitra avy hatrany rehefa nahatazana ny zandary. Vokany, lavo ny telo tamin’ireo dahalo. Nandositra ny namany dimy hafa.
Fito voasambo-belona
Mpiray tendro amin’ireo dahalo lavo, olona fito mianadahy indray voasaringotra tamin’io fakana an-keriny io. Olona roa nalain’ny dahalo am-polony tao Anorana, fokontany Antanifotsy, kaominina Ambongamarina ka nataony takalonaina, ny 11 aogisitra teo. Navotsitr’ireo mpaka an-keriny izy roa, herinandro taorian’io. Nanokatra fanadihadiana ny zandary. Olona fito voasambotra. Mpamatsy sakafo sy “puce” ho an’ny finday izay nampiasan’ireo tsy mataho-tody izy ireo. Marihina fa anisan’ny mpaka an-keriny tao amin’ny distrikan’Anjozorobe, Ankazobe, hatrany Ambohidratrimo ireto lavo ireto.
Tsiferana R.