Potiky ny bala ny lohaliky ny dahalo iray anisan’ireo nandroba mpivarotra tao Soatana, distrikan’Antsahalova, faritra Melaky, afakomaly. Mpivarotra trondro maraina no norobain’ny enin-dahy. Lasa hatramin’ny entana. Niantso vonjy tamin’ny olon-tsotra manodidina ireo lasibatra. Nanara-dia ireo tsy vahalara ny mpiambina iray. Nitondra fitaovam-piadiana io mpiambina io ary nanampy azy ny fokonolona. Raikitra ny tifitra. Vokany, voa teo amin’ny lohaliny ilay mpangalatra iray. Nirifatra nandositra ireo namany dimy. Nitangoronan’ny fokonolona ilay naratra. Naratra mafy, nitarika ny fahafatesan’io dahalo mpanakan-dalana io ny fahavoazany. Efa malaza ratsy amin’ny asa fanakanana sy fandrobana mpandalo ao amin’io toerana io ilay dahalo lavo io sy ny namany. Tratra teny aminy ny moara sy ny antsy fampiasany manao io asa ratsy io. Mandray an-tanana ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Karohina ireo dahalo hafa tafaporitsaka.
Tsiferana R.