INDRAY MIJERY

Mampahafantatra ny kaominina Antananarivo Renivohitra fa foana ny tsenan’i Mahamasina ny alakamisy 24 aogositra ho avy izao ka ilazana ireo mpivarotra rehetra. Antony, anisan’ny hiatrehana ny lalaon’ny Nosy ny kianja Barea etsy Mahamasina sy ny manodidina azy. Miverina amin’ny laoniny izany, ny 7 septambra.

Iandraiketan’ny sampandraharaham-paritry ny fanabeazana sy ny fari-piadidiam-pampianarana, any amin’ny toerana iorenan’ny sekoly manara-penitra ny fanokafana ny fotodrafitrasa. Hisahana ny mpiasa kosa ny vaomiera nasionaly mikarakara ny famindran-toerana ny mpiasam-panjakana (CNA), araka ny toromariky ny minisitera mpiahy.

Nanomboka omaly ka hatramin’ny 7 septambra ny fandaminana ny famindrana mpianatra sy ny fitsapam-pahaizana. Natokana ho an’ny mpianatra avy amin’ny sekolim-panjakana ny famindrana, ho an’ny mpianatra avy amin’ny sehatra tsy miankina kosa ny fi­tsapam-pahaizana raha maniry ny hiditra amin’ny sekolim-panjakana izy ireo.

Notanterahina tany Fianarantsoa, ny faran’ny herinandro teo hatramin’ny anio, ny Tendro, izay lalao iombonan’ny sampana 4 (mavo, maitso, mena, menafify), eo anivon’ny Tily eto Madagasikara. Lasy miendrika lalao ranoiray, hihaonan’ny vondrona voafantina isam-paritany ny Tendro. Karazan-dalao Remby, Lomay, Dinie­ry ny Ampamoloana no hatao.

Partager sur: