Nanainga omaly, nihazo an’i Birmingham, hiatrika ny lalao iraisam-pirenena “multisports” natokana ho an’ny jamba, Rakotoarivelo Nampoina Daniel. Hiakatra an-tsehatra rahampitso izy.
Tanteraka ny fanirian’i Nampoina. Hiatrika ny “IBSA World Games”, hatao any Birmingham ity judokas malagasy jamba ity. Rahampitso izy no hifaninana, eo amin’ny sokajin-danja latsaky ny 60 kg. Hotontosaina anio ny antsapaka hahafantarana izay hifanandrina amin’i Nampoina, araka ny fandaharam-potoana. Vonona tanteraka ity judokas malagasy ity ary efa ela no nanomanany izao fifaninanana izao. Fifaninanana tafiditra ao anatin’ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny lalao Olympika 2024. Nambarany, fa tena nanomana mafy izy niaraka tamin’ny Sensei Ranjatoson Antsa, Tale misahana ny Judo ho an’ny jamba, eo anivon’ny federasiona malagasin’ny Judo. Teo ihany koa ny kotrana nataony intelo isan-kerinandro eny amin’ny klioba misy azy “La Porte Judo Madagascar” eny Ambohidratrimo, niaraka tamin’ny mpanazatrany, i Brandon Radicalberger. Tsiahivina, nisedra olana teo amin’ny ho enti-manana hiatrehana ity fifaninanana ity i Nampoina. Nitady ny hevitra rehetra anefa izy sy ireo mpanazatra azy, ny klioba nisy azy ary ny FMJ, nitady ny vahaolana. Mpanohana maro no nanolo-tanana ankoatra ny fandraisana an-tanana nataon’ny Sensei Ranjatoson Antsa sy ny klioba La Porte, ka lasa soa aman-tsara i Nampoina. Brandon Radicalberger, mpiandraikitra ny klioba La Porte no niaraka amin-dRakotoarivelo Nampoina Daniel, hiatrika ity lalao iraisam-pirenena any Birmingham ity. Sady miandraikitra ny fanazarana azy any an-toerana i Brandon. Nambaran’ny teo anivon’ny federasiona malagasin’ny Judo fa afa-po tamin’ny lalana nizoran’i Nampoina ny federasiona. Manana fikirizana izy, hoy ny filohan’ny FMJ ka mendrika ho tohanana. Izany indrindra no tsy nampisalasala azy ireo hanolo-tanana.
Mi.Raz