Hotanterahina manomboka anio hatramin’ny 25 aogositra, eny amin’ny Golf du Rova Andakana, ny fifaninanana “Golf Inter-îles 2023”. Miisa dimy ireo firenena mandray anjara amin’izany. Anisany i Madagasikara, mpampiantrano, i La Réunion, i Maurice, i Mayotte ary i Seychelles. Marihina fa ny Golf, voasokajy anatin’ireo taranja fampirantiana mandritra ny lalaon’ny Nosy JIOI 2023, izay hatao eto Madagasikara ny 25 aogositra – 3 septambra ho avy izao. Araka ny efa fantatra, miisa roa ny ekipam-pirenena malagasy hiaro ny voninahi-pirenena. Ny andaniny mifaninana amin’ny lalao iraisana “par équipe” raha toa ka mifanintsana amin’ny lalaon’ny tsirairay “ individuel” ny ankilany.
Tsiahivina fa valo ny isan’ireo mpilalao mandrafitra ny ekipa iray, izay ahitana lehilahy enina (1 pro, 3 amateurs, 2 séniors) sy vehivavy roa. Araka ny valandresaka natao tamin’ny mpanao gazety farany, fampahafantarana ny vahiny delegasiona ny toerana hanaovana ny fifaninanana no natao tamin’ity fotoana ity. Rahampitso 23 aogositra vao hiakatra kianja ny mpilalao.
Tsara ihany ny mampahafantatra fa tamin’ity andiany ity, vao nandray ny fifaninanana “Golf Inter-îles” i Madagasikara.
Fitia