Nigadona, omaly, teny Ivato, ireo Seyseloa mpilalao baolina kitra hihaona amin’ny Barean’i Madagasikara. Marihina fa hifandona etsy amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina ny alakamisy 24 aogositra ho avy izao, izy ireo. Tsara marihina fa Malagasy ny mpanazatra an’i Seychelles, Bruno Saidina.
Tonga nitsidika ireo atleta mpikatroka ny taranja tolona ny solombavambahoakan’ny boriborintany faharoa, Rakotomanga Lanto, omaly, teny Anosizato. Araka ny vaovao voaray, nanolotra vola sy fanafody ho an’ireto mpitolona hanao ny lalaon’ny Nosy 2023 ireto ity solombavambahoaka ity.
“Hiaraka handrombaka ny medaly volamena amin’ny Barea de Madagascar ny tanjoko”, hoy i Fabien Boyer, ny alahady lasa teo, teny Mahamasina. Araka izany, hiaro ny voninahi-pirenena malagasy ity vodilaharana manana zom-pirenena roa, malagasy sy renioney ity. Marihina fa anisan’ireo mpilalao ho any Angola ny tenany.
Manomboka migadona eto an-toerana ireo delegasiona sasantsasany hiatrika ny lalaon’ny Nosy 2023. Tamin’ny fanadihadiana natao teny Ivato, omaly, ireo dokotera sy mpitsabo ary mpitsara lalao no efa eto an-toerana amin’izao fotoana izao. Tsiahivina fa miisa 81 ny toeram-pandraisam-bahiny handray ny delegasiona rehetra eto amintsika.