Nigadona omaly, tetsy amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny ekipa malagasy Elgeco Plus. “Mbola sarotra ny lalao miverina, hatao etsy Mahamasina, ny 27 aogositra ho avy izao, saingy hiezaka ny hampitombo avo roa heny ny zava-bita tany Botswana ny Elgeco Plus”, hoy Radafison Jimmy, mpanazatra ny Elgeco Plus, tamin’io fotoana io.
Nilaza ity mpanazatra ity fa lesoka tamin’iny lalao voalohany iny ny faharatsian’ny kianja saingy tsy nahasakana ny Malagasy mpilalao hampiditra baolina izany. Nomarihin’i Coach Jimmy fa hiezaka ny hampiditra baolina izy ireo ary tsy hamela ny mpifanandrina hanakobana ny harato. Araka ny filazan’i Coach Blaise, teknisianina Elgeco plus, hanamafy ny resaka fomba fipetraka “placement” eny ambony kianja izy ireo ary hanomboka hizatra lalao alina manomboka anio talata. “Tombony ho antsika ny lalao ara-pirahalahiana nihaonana tamin’ny Barea de Madagascar”. Araka ny filazan’i Coach Blaise ihany.
Tsiahivina fa ny Elgeco Plus no nandresy an’i Gaborone United tany Botswana, 1 no ho 0, nandritra ny fihaonana mandroso, fiadiana ny amboaran’i Afrika “Coupe de la CAF” (CCAF), ny sabotsy 19 aogositra lasa teo.
Fitia




