Halatra omby : dahalo enin-dahy voasambotra

Tra-tehaky ny mpitandro filaminana ny dahalo enin-dahy nangalatra omby tao Madirofody, fokontany Lakovola, kaominina Marovoay, ny faran’ny herinandro teo. Nitran­gana fandrobana nataon’ny dahalo am-polony tao amin’io tanàna io ny 17 aogositra lasa teo. Nentin’ireo olon-dratsy tamin’izany ny omby miisa folo, tokony tamin’ny 4 ora ma­raina. Nampandre ny zandary miasa ao an-toerana avy hatrany ny lasibatra. Nanara-dia nanampy azy ireo koa ny fokonolona. Tratra tao Maroadabo, fokontany Ambatobe ireo dahalo. Nitondra moara sy fitaovana fampiasa amin’ny halatra omby ireo mpandroba. Tsy afa-nitsoaka intsony anefa ireto farany rehefa tafalatsaka tao anaty vela-pandriky ny zandary. Vokany, enin-dahy azo sambo-belona. Na­laina teny am-pelantanan’izy ireo ny omby halatra. Nave­rina tamin’ny tompony ireto farany. Mitohy ny fikarohana ny naman’ireto dahalo voasambotra ireto. Marihina fa hatalotra ny fampanoavana aorian’ny fanadihadiana azy izy enina mirahalahy voasambotra.

Tsiferana R.

Partager sur: