Nodorana ny loha ary nofatorana tady ny raim-pianakaviana iray hita faty tao Andasibe Andranomena, fokontany Ambodirotra, kaominina ambanivohitra Mangarivotra, distrikan’i Moramanga, afakomaly. Tsy hita nanomboka ny 6 aogositra lasa teo izy. Ny alatsinainy teo, naharay loharanom-baovao avy amin’ny tsara sitrapo tao amin’ny tanànan’i Mangidifoza ny zandary. Vatana mangatsiaka efa kilan’ny afo sady nifatotra no hitan’ny fokonolona. Nitily ny razana ny mpitsabo avy ao amin’ny CSBII Ampahitra. Voamarina fa ilay raim-pianakaviana tsy hita nandritra ny 2 herinandro io maty io. Efa nipoitra ny karan-dohany vokatry ny fandorana azy. Tavela teo amin’ny tanany ny tady namatoran’ireo nahavanon-doza. Notriarina tamin’ny zava-maranitra koa ny faritra sasany tamin’ny vatany.
Nanokatra fanadihadiana lalina ny zandary. Ady tany sy tsy fifankahazoana teo amin’ny mpianakavy no anisan’ny niteraka izao vono olona mahatsiravina izao. Anatin’ny famotorana lalina ireo ahina ho nahavanon-doza ny mpitandro filaminana. Efa natolotra ny fianakaviany, taorian’ny fitiliana, ny vatana mangatsiakan’ilay raim-pianakaviana. Tsiahivina, olona telo voasambotry ny zandary tao Betafo noho ny vono olona, ny herinandro lasa teo. Mpianaka niandry vokatra teny an-tsaha namoy ny ainy. Ady tany no niteraka ny tsy fifankahazoana.
Tsiferana R.