FANTINA SY FINTINA

Misokatra manomboka anio ny fametrahana dosie ho an’ireo kandidà hofidiana ho filoham-pirenena ary hifarana ny 6 septambra. Miisa 15 ireo antontan-taratasy ilaina haterina etsy amin’ny HCC Ambohidahy. Miisa 10 aloha hatreto ireo kandidà ka vehivavy ny roa.
Mitaky hatrany ny hiarahan’i Betroka amin’ny faritra Ihorombe ny depiote Randrianosolo Nicolas. Tsy alefan’ny governoran’ny faritra Anosy any Betroka, ohatra, ny fitaovana vaventy fanamboaran-dalana. Maninona no tsy hatao izany?
Aoka mba hanara-dalàna sy hijoro ny mpi­tsara ny amin’ny fanomezana taratasy fanamarinana ny fizakana zom-pirenena malagasy, araka ny fanehoan-kevitry ny mpandrindra nasionalin’ny HVM, Rakotovao Rivo. Anisan’ny takina amin’ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina ho filohan’ny Repoblika izany.
Nomarihina amin’ny alalan’ny fampirantiana etsy Anosy, ny faha-50 taona nifandraisan’i Mada­gasikara sy ny Frankofonia (OIF). Miompana amin’ny Frankofonia sy ny diplaomasia ary kolontsaina izany. Nanomboka omaly hatramin’ny 25 aogositra izao, ny hetsika. Manatontosa izany ny minisiteran’ny Raha­raham-bahiny sy ny avy amin’ny minisiteran’ny Sera­sera sy ny kolontsaina.

Partager sur: