Nanjakan’ny ekipa avy any amin’ny faritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja handball, sokajy zandriny, lehilahy “minime, cadet, junior”. Fifaninanana, notanterahina tany amin’ny kianja mitafon’i Boeny, ny 9 ka hatramin’ny 19 aogositra lasa teo. Ho an’ny “minime”, adin’ny samy Ihorombe ny famaranana. Fihaonana nikatrohan’ny Vasia sy ny ASLPNYA. Resin’ny Vasia, tamin’ny isa 31 no ho 17 ireto rahalahiny. Nanantombo tamin’ny fahaiza-manao ny Vasia, manana ireo mpilalao efa zatra lalao goavana. Tombony ho azy ireo koa ny tanjaka sy ny hakingana.
Ho an’ny “cadet”, norombahin’ny HC Est Atsimo Andrefana ny amboara, rehefa nandresy ny THBC Ambalavao, 31 no ho 21. Ny CHBF Matsiatra Ambony no nahazo izany ho an’ny “junior”, rehefa nanilika ny AS ST Michel Analamanga, tamin’ny isa 30 no ho 22. Tsiahivina fa nahatratra 8 ny ekipa nifaninana teo amin’ny “junior”.
Dingana manaraka ho an’ny fifaninanam-pirenena, ny an’ny “senior” lahy sy vavy. Hanana ny lanjany goavana izany. Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina (CCCOI), hatao any Rodrigues ny faran’ny volana novambra ho avy izao, ireo ekipa roa voalohany na ho an’ny lehilahy na ho an’ny vehivavy.
Tompondaka