Nifamaly sy nifanindrona antsy vokatry ny toaka izy mirahalahy. Maty ny zokiny, naratra voafira teo amin’ny lohany ilay zandriny. Nitolo-batana teny amin’ny zandary ity farany.
Zava-doza ny nateraky ny fifandirana teo amin’ny samy mpirahalahy tao Seranana, fokontany Lazaina, kaominina Fanjakana, distrikan’Isandra, afakomaly. Samy nisotrosotro zava-mahamamo izy mirahalahy ireto sy ny namany. Rehefa niakatra anefa ny toaka, nanomboka nafana ny tsy fifankahazoan-kevitra. Nitarika fifamaliana izany. Raikitra ny fifampikasihan-tanana. Samy nanao izay ho afany niaro ny tenany izy ireo. Naratra mafy anefa ny iray ka nitarika tamin’ny fahafatesany izany. Tetsy ankilany, voa mafy saingy nitolo-batana teny amin’ ny biraon’ny zandary ao an-toerana ilay rahalahiny iray tamin’ireo nahavanon-doza. Nentina notsaboina teny anivon’ny CSBII ilay naratra talohan’ny nanaovana fanadihadiana azy. Nitsoaka avokoa ireo namany niara-nanao ny vono olona taminy. Mikaroka izay nandositra ny mpitandro filaminana ao an-toerana.
Maty novonoina
Nifamono ho faty koa ny mpirahalahy tao Andrarabarikely, fokontany Ampasambazimba, kaominina Ambatondrazaka, omaly tamin’ny 1 ora maraina. Tsy nody tao an-trano fa natory teny amin’ny namany ny tovolahy iray. Nisotrosotro anefa ny zandriny ka naka ilay zokiny izay tsy nody. Nananatra mafy ity zokiny ilay zandriny. Nivadika ho fifamaliana izany. Nifampidaroka izy mirahalahy. Naratra mafy anefa ilay zokiny. Nentina namonjy toeram-pitsaboana saingy tsy tana intsony ny ainy. Nosamborin’ny mpitandro filaminana ilay zandriny nahavanon-doza. Efa nisy lonilony hatry ny ela teo amin’ izy mirahalahy, araka ny famotoran’ny zandary.
Tsiferana R.