Fisorohana korontana : hahetsika ny Emmo/Nat

Hiatrana eny an-kianja rehetra eny. Nivory maika teny Ankadilalana ny eo anivon’ny “Etat-major mixte opérationnel national – Emmo/Nat”, afakomaly alina. Anisan’ny nitarika izany ny Praiminisitra Ntsay Christian sy ireo lehiben’ny fitandroana ny filaminana rehetra, notarihin’ny minisitra isany, ny Fiarovam-pirenena, ny Filaminam-bahoaka ary ny sekreteram-panjakana miadidy ny Zandary. Voaresaka ny fametrapetrahana ny rindran-damina rehetra momba ny filaminana amin’izao fiatrehana ny lalaon’ny Nosy izao. Tafiditra ao anatin’izany ny fiarovana ireo delegasiona rehetra. Eo koa ny tanàna ary ny fiantohana ny fizotry ny fiainana andavanandron’ny mponina.
Mazava sy hentitra ny toromarika manokana nomen’ny lehiben’ny governemanta. “Mila mailo sy mitandrina ary miso­roka ireo mety hiteraka fanakorontanana”, hoy izy. Nampi­risihiny ireo mpitandro filaminana mba hanatontosa antsakany sy andavany ny fahatomombanan’ny lalaon’ny Nosy, ho reharehan’ny firenena malagasy manontolo.
Tsiahivina fa maherin’ny 4 000 ireo mpitandro filaminana (Emmo/Reg) hahetsika ka anisan’ny hiakatra eto an-drenivohitra ireo mpianatra ho zandary sy polisy.

Synèse R.

Partager sur: