TSELATRA

Olona iray maty tsy tra-drano tao amin’ny fokontany Mamono, kaominina ambanivohitr’i Morombe, Toliara, afakomaly. Notifirina lehilahy iray tao anaty haizina izy raha iny nivoaka ho any amin’ny toeram-pivoahana iny. Naheno poa-basy ny fokonoloka ka nanenjika ilay jiolahy. Tratra ihany izy.

Tafasitrika tany ambany taksiborosy Sprinter tao Maromaniry, fokontany Amparafara, kaominina Ampasimpotsy, RN2 PK 129+300, ny mpitondra moto iray, afakomaly. Nandeha mafy sady nangalatra lalana ilay mpitondra moto. Torana tsy nahatsiaro tena izy ka nentina nanatona hopitaly.

Naratra mafy ny mpitarika sarety iray nianjeran’ny kitapo feno simenitra teny Ambohima­narina, omaly maraina. Nitondra entana tamin’ ny sarety tamin’iny fidinana iny kanjo nandeha mafy ilay sarety ka nianjeran’ny kitapo izy.

Tonga ao Taolagnaro ny sambo haingam-pandeha “Atsantsa III”. Hanaraha-maso ny moron­tsiraka sy hanenjehana ireo mpanjono tsy manara-dalàna izy ity. Hanampy koa amin’ny fanavotana ireo tra-doza an-dranomasina. Mirefy 13m izy ity ary manana motera 300 CV telo mahatratra 900 CV.

Partager sur: