Raikitra amin’izay ! Nanomboka omaly ny fandraisana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina eny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Mifanindran-dalana amin’izay ny nahavitan’ny fanaovan-tsonia ilay fifanarahana politika, novolavolain’ny Friedrich Ebert Stufftung, fikambanana alemà.
Samy maneho fahavonona ny mpiantsehatra rehetra. Misy ihany anefa ny mametraka fepetra mba hisian’ny fifidianana tena madio sy mangaraharaha. Amin’ny ankapobeny, efa tsy misy ny sakana, indrindra ho an’ny mpifaninana izay heverina ho goavana sy matanjaka. Ny indrokely, ity amboletra ataon’ny vahiny, izay mametraka tsindry ity.
Na izany aza, tsy tsara ny mandrimandry manana aretina. Aleo vakina bantsilana izay azo lazaina satria tsara kokoa ny misoroka toy izay mitsabo. Ity resaka voizina manodidina ny korontana sy ra mandriaka aorian’ny fifidianana ity no asiana tsindrim-peo. Tsy misy mahazo tombontsoa amin’izany na iray aza afa-tsy ny vazaha “mpanjakana moderina” sy ireto mpiasam-panjakana iraisam-pirenena, milaza ho manampahaizana manokana amin’ny famahana krizy ireto.
Mila mahay maka lesona ny Malagasy, taorian’ireny tetezamiitatra dimy taona, ny 2009 hatramin’ny 2014 ireny. Rangory fototry ny afo amin’izao fahantrana lalina zakain’ny isam-baravarana izao. Sanatrian’ny vava dia atakalo fitiavan-tseza sy fitiavam-bolan’olom-bitsy ny tombontsoa iraisain’ny rehetra?
Tsy tokony hisy tafiditra anatin’ny vela-padriky ny fifamonoana hiarovana olona na vondron’olona iray izany intsony eto Madagasikara. Mendrika fiarahamonina milamina ahafahana manarina sy manorina ny vahoaka tsy mandady harona. Antitranterina anefa fa mitaky fahaizana misafidy avy amin’ny vahoaka ombieny ombieny ny ahafahana misoroka izany.
r.r