VAOVAO TAMBATRA

Mahatratra 35 000 ha ny ala arovana any Tsitongambarika, faritra Anosy, tohanan’ny Fon­da­tion Fondation Hempel. Mitantana azy ny fikambanana Asity Madagasikara-Birdlife. Anisan’ny asa atao ny fanamafisana ny fiambenana sy ny fanaraha-maso, ny fanatsaarana ny velon-tenan’ny mponina.

Nahatratra 27 416 ny isan’ny olona nivezi­vezy tao Ankify, Hell-Ville, Ambatolaoka, Ambondrona. Nanatrika ny Festival Somaroho tany Nosy-Be izy ireo, ny 2 hatramin’ny 13 aogositra teo.

Niakatra 300% ny fanjifana ny trondro tamin’ ireo toerana enina eto Antananarivo sy ny manodidina anaovana ny hetsika “Fia mora”. Nahatratra 3t ny trondro lafo nandritra ny herinandro voalohany. Hahatratra 4t kosa ny hazandrano Drihy ho tonga eto an-toerana amin’ity herinandro ity.

Misokatra ny fanadihadiana ara-pitsarana momba ilay voapanga nahitana fitomboka hosoky ny minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola sy amin’ny anaran-dRaharinirinarison Rindra Hasimbelo, izay anarana ahitana fahadisoana. Miala tanteraka amin’ny andraikitra izay mifampiditra amin’io raharaha hosoka sy fampiasana hosoka io ny ministera.

Partager sur: