Poopy 40 taona niseharana. Anjaran’ny mponin’i Mahajanga indray ny hianoka ny seho miaraka aminy, ny alahady 3 septambra izao, manomboka amin’ny 6 ora latsaka fahatelony hariva, ao amin’ny Les Roches Rouges. Fampisehoana tokana, amin’ity taona ity, hiarahan’ny tarika Poopy amin’ireo mpitia zavakanto ao Mahajanga sy ireo miala sasatra any an-toerana.
« Vakansy faradoboka ». Fampisehoana rindrankira fiderana hiarahana amin’i Zook Davids. Rehefa avy tany avaratry ny Nosy ny tarika, hitodi-doha any atsimo indray. Manomboka anio, ao Ambohimahasoa. Ny sabotsy 26 aogositra any Manakara. Ny alakamisy 31 aogositra any Ranomafana ary ny sabotsy 2 septambra ao Fianarantsoa, eo anoloan’ny Lapan’ny tanàna.
Gaie. Tafiditra ao anatin’ny mpahay kanto hiatrika ny « Trace Awards Festivals » i Gaie, Malagasy mpihira. Tao anatin’ny sokajy “Best Artist Indian Ocean” no nahavoafidy azy, miisa enina izy ireo no ao anatiny. Mandritra ny fanatanterahina ny “Trace Awards Festivals” any Kigali, Rwanda, ny 20 hatramin’ny 22 oktobra 2023, no hanolorana azy ireo ny amboara.
Antsika Misôma Vakansy. Mitohy hatrany ny hetsika “Antsika misôma vakansy” eny amin’ny IKM Antsahavola. Hetsika ahitana atrikasa sy fampianarana mahakasika ny asa tanana malagasy sy haikanto maro ary kilalaon-tsaina. Tanjona ny hampianarana sy hitaizana ny mpandray anjara ao anatin’ny fialamboly.