Transparency International – Iniative Madagascar : “Hanampy amin’ny fifidianana ny Hayfidy”

“Fitaovana hanampiana ny mpifidy hanao safidy voasaina sy voalanjalanja amin’ny fifidianana ho avy ny hayfidy. Ha­tramin’izay, mampiahiahy ny fomba fisafidianana an’ireo kandidà amin’ny fifidianana samihafa”. Io ny fanazavan’ny tale mpanatanteraka eo anivon’ny Transparency Internatio­nal – Iniative Madagascar (TI-IM), Rafitoson Ketakandrina, teny Ambaranjana, afakomaly, momba ny fitaovana Hayfidy.
Fanabeazana olom-pirenena hametrahana masontsivana marim-pototra amin’ny safidy ataony ny Hayfidy. Enina ny masontsivana ampiasaina amin’izany. Eo ny mombamomba ny kandidà: ny fari-pahaizany, ny foto-pivelomany, ny fifidianana efa natrehiny… Rehefa olom-boafidy izy: firy ny taham-pahavitan’ny fampanantenana nataony teo aloha, ahoana ny fihatsaran’ny toe-piainan’ny vahoaka nandritra ny fitondrany?
Jerena amin’izay masontsivana izay koa raha misy raharaham-pitsarana efa nahavoampanga na nahavoatonontonona azy na ny manodidina azy. Marim-pototra sy azo tanterahina ao anatin’ny dimy taona ve ny drafi-pandrosoana entiny?

R. Nd.

Partager sur: