Nolavina ny fangatahana fitsarana ampahibemaso ny zom-pirenen’ny filohan’ny Repoblika, tsy manana fahefana hitsara ny filoha Rajoelina momba ny fahaverezan’ny zom-pirenena malagasy ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenena (HCC), tsy azo raisina ny fangatahana ny amin’ny tsy tokony hahakandidà ny filoha Rajoelina tamin’ny fifidianana, taona 2018. Ireo ny fanapahan’ny HCC Lah. 04-HCC/AR ny 22 aogositra momba ny fitorian’ny kandidà ho filohan’ny Repoblika, taona 2018, i Fanirisoa Ernaivo.
Te hamboly korontana amin’izao vanim-potoan’ny fifidianana izao ny fitoriana, ka tsy azo raisina raha ny fiarovan’ny mpisolovava ny filohan’ny Repoblika. Tsy mandeha ho azy ny fanalana zom-pirenena, araka And. 42 amin’ny fehezan-dalàna momba ny zom-pirenena. Tsy maintsy misy didim-panjakana milaza izany. Tsy mbola nanary ny zom-pirenena maha malagasy azy ny filoha Rajoelina.
R. Nd.




