Tontolon’ny fifidianana: antoko politika 32 nanao sonia ilay sata

Noho ny sata niainga tamin’ny teny ierana sy mifototra amin’ny fihavanana no naneken’ireto vondrona politika sy mpilatsaka ho fidina ireto ny sata. Niray feo ihany koa izy ireo ny amin’ny tokony hanatanterahana sy hanajana izay nekena sy nosoniavina.

Tontosa omaly, teny amin’ny Carlton Anosy, ny fampahafantarana ny Satam-pitondran-tenan’ny antoko politika sy mpilatsaka hofidina. Olom-panjakana maro samihafa, fiarahamonim-pirenena, ma­soi­voho sy ireo vondrona politika nanaiky sy nanao sonia ny sata no niatrika izany lanonana izany. Tetikasan’ny Fried­rich-Ebert-Stufftung (FES) Mada­gasi­kara, vatsian’ny vondrona eropeanina vola ity tetikasa ity. « Natao hanatsarana sy hampanjary ny zotram-pifidianana ity sata ity. Samy mahatsapa fa fifidianana mizotra am-pilaminana sy madio no ilain’ny firenena sy andrasan’ny olom-pirenena amin’izao fotoana izao », hoy Andriambolanoro Mireille, tomponandraikitra eo anivon’ny FES Madagascar.
Mitotaly 32 ireo Vondrona politika sy mpilatsaka ho fidina nanaiky sy nanao sonia ny satam-pitondran-tena. Ny volana janoary 2023 no nanombohana ny famolavolana ity sata ity, tamin’ny alalan’ny fikaonandoha sy adihevitra ary fakan-kevitra tamin’ireo vondron-kery politika malagasy maro samihafa. Adidy sy andraikitra maro no sahanina sy ho tanterahin’ireo nanao sonia ity sata ity. Anisan’izany ny fanentanana ny olona handray anjara amin’ny fifidianana. Fanekena fa ny fifidianana no hany lalana demokratika tokana sy ekena ahazoana fahefana. Manao izay hahatanterahan’ny fifidianana ao anatin’ny fangaraharana sy malalaka ary ara-drariny. Hanaja ny zon’olombelona araka ny fanambarana sy sata samihafa…
Ankoatra izay, efa tafapetraka ny “Comité de Mis en Œuvre et de Suivi de la Charte” (CSC), rafitra mpanara-maso ny fampiharana ity sata ity. Mpikambana avy eo anivon’ireo vondrona politika nanao sonia ihany no mandrafitra io komity io.

Lin M.

Partager sur: