Tsangan-kevitra sy tsangan’olona

Tsy nampoizina? Na nahabe resaka tetsy sy teroa aza ny amin’ny anto-bola 200 tapitrisa Ar firotsahan-kofidina ho filohan’ny Repoblika, mitombo an-dalana ireo kandidà. Tsy arakaraka ny hoe fanakantsakanana ny raharaha? Misy hatrany ny manam-bola, manohana, mahafoy… Ady fiady io, politika. Mby amin’ny hoe ny fahaiza-mandamina no entina miady. Tsy mbola tonga amin’ny tsangan-kevitra politika no iadiana sy mampiady, fa tsangan’olona no ifanohanana na ifanoherana? Izay no mahatonga ny hoe ny olona hatrany aloha no mirangaranga sy arangaranga.
Tena samy hafa tanteraka ireo kandidà amin’izany? Na eo amin’ny foto-kevitra politika, na vinam-piarahamonina, na fandaharanasa, na paikady sy fomba fiasa… Na mitovitovy ihany izany rehetra izany amin’ny hoe fampandrosoana, fa ny loha mitsitokotoko no tsy itoviana sy mampizarazara: tsangan’olona na sangan’olona. Mbola izay aloha ny Malagasy? Ny fanahy no olona, olon’ny fo, moramora… Eny, na amin’ny fifidianana aza ve? Ny maha izy azy ny tsirairay no zava-dehibe sy atao ho lohalaharana, fa tsy izay entiny sy (h)ataony: foto-kevitra, vina, fandaharanasa…
Dieny izao, anjaran’ny mpifidy ny mandinika, mampitaha, mitsara, manapa-kevitra… Inona amin’ny fanamby sy fampanantenana no mamaly ny hetahetam-bahoaka? Na manao ny fiainam-bahoaka ho zava-dehibe… Inona koa no tena mampiavaka ny kandidà tsirairay, raha mitovitovy avokoa, ohatra, izay lazaina sy kendrena amin’ny hoe fampandrosoana? Ny azo tanterahina, ny mety ho vita… Tsy maintsy misy an’izay ao, matoa samy mirotsaka na mandrotsa-kofidina. Eny, na eo aza ny toetra amam-pomba samy manana ny azy. Mba izay lazainy sy ataony ary kendreny no jerena amin’ny olona fa tsy ny tsanganany.

R. Nd.

Partager sur: