Fifidianana filoham-pirenena: vehivavy kandidà fahatelo, Rasolofonoroniaina Julia Mickaëlle

Kandidà fahatelo nanambara fa anisan’ireo hirotsaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena, Rafolofonoroniaina Julia Mickaëlle (Mishah) taorian’i Masy Goulamaly sy Annick Ratsiraka. « Fitiavan-tanindrazana no tena nanosika ahy hanapa-kevitra hijoro ho an’ny firenena fa tsy fitiavan-tseza. Tsy kilalao ny fiainam-bahoaka satria firenena no resaka eto », hoy izy. Nambarany fa raha hiaina amina kajikajy politika isika dia tsy mbola tia tanindrazana. Ny fidirana amin’ny repoblika fahadimy no vahaolana satria betsaka ny zavatra tsy mety eto amin’ny firenena. « Ny fitsapan-kevi-bahoaka no zavatra atao voalohany indrindra handehanantsika miroso any amin’ny repoblika fahadimy », araka ny nambarany. Nohamafisiny fa ny zavatra rehetra mitranga eto, miainkina amin’ny Lalàmpanorenana.
Miroso tanteraka amin’ny fifidianana isika izao, fitiavan-tena anefa no hita misongadina amin’ireo mpanao politika sasantsasany fa tsy tena fitiavan-tanindrazana. Kanosa ny mpanao politika, hany ka milalao ny vahoaka malagasy. « Ny kandidà roa matanjaka dia Rajoelina Andry sy Rava­lomanana. Ireo anefa, misy olana eo amin’ny resaka zom-pirenena. Ho an-dRavalo­ma­nana mbola tsy foana ny didy mahameloka azy teny anivon’ny fitsarana », hoy ny mpikatroka eo anivon’ny fiarahamonim-pirenena, Rafanomezan­tsoa Jean Nirina, manohana ny foto-kevitry ny kandidà Rasolofonoroniaina Julia Mic­kaëlle. Nohitsiany aza fa aleo hiverina any amin’ny vahoaka ny fahefana.

Jean Claude

Partager sur: