Hisy ny fihaonambe fampivondronana ny mpiasa, karakarain’ny Fiombonamben’ny sendikàn’ny mpiasa malagasy(FSMM), rahampitso, ao amin’ny «Cathédrale DEGS», oniversiten’Antananarivo. Ny mpiasa mivondrona ao amin’ireo sendikà manerana ny Nosy no mpamokatra sy mampihodina ny firenena ka tsy azo ekena intsony ny fanaovana ankilabao azy ireo.
Ny varatraza malefaka no handrafitra ny toetry ny andro eto Madagasikara hatramin’ny rahampitso. Hisy fandalovana rindrin-drahona kosa ao atsimon’ny Nosy, amin’ny faran’ny herinandro. Vinavinaina hisy fiakarana miandalana ny maripana farany ambony mankany amin’ny faran’ny herinandro.
Hisy ny fizahana maso maimaimpoana ho an’ny ankizy latsaky ny 15 taona, ny alarobia ho avy izao, ao amin’ny Centre Hospitalier Universitaire Analankininina Toamasina, iarahana amin’ny tetikasa “Mahita – Pediatric Ophthalmology & Training Project”. Tetikasan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka izy ity izay miezaka manakaiky vahoaka.
Nijery ifotony ny fizotry ny asa fanamboarana ny sekoly manara-penitra ao Ambatofotsy Maevatanana, ny talem-paritry ny fanabeazam-pirenena Betsiboka, niaraka tamin’ny ekipa notarihin’ny governoran’ ny faritra. Ahitana efitrano fianarana 12 ity fotodrafitrasa ity ary mahazaka mpianatra 600 eo ho eo.