Hotanterahina ny 4 septambra izao ny fifidianana izay ho filoha vaovaon’ny federasiona
malagasin’ny volley-ball, hitantana mandritra ny
4 taona manaraka, araka ny tetiandron’ny FMVB. Fifidianana izay hatao ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Tsy maintsy mahavita fifidianana mialohan’ny 27 aogositra avokoa, araka izany, ny ligy rehetra.
Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy omaly, tetsy Mahamasina, nandritra ny fitsofan-drano ny atleta ny fanamiana hanaovan’ny Barea de Madagascar. Anisan’ny tazana tamin’ izany ny loko mena izay tena manjaka ary haingoin’ ny teny « Barea » amin’ny loko mainty eo afovoany.
Hotontosaina ny 26 aogositra ho avy izao ny fifaninanana “Section”, taranja Baolina kitra any Mahajanga. Marihina fa hotolorana lelavola 1 tapitrisa Ar izay mahazo ny laharana voalohany amin’ ity, raha toa ka 600 000 Ar ny faharoa ary 300 000 Ar ny fahatelo. Nozaraina vondrona roa, “A” sy “B”, ireo ekipa 14 mandray anjara.
Nifindra ao amin’ny klioba FC Sochaux, National 1, ao Frantsa i Thomas Fontaine, Malagasy mpilalao baolina kitra. Hatramin’ny taona 2025 ny fifanarahan’ny roa tonta amin’izany. Marihina fa efa maro ny klioba nodiavin’ity vodilaharana ity, anisan’izany ny Stade de Reims, ny FC Lorient, izay diviziona voalohany tao Frantsa avokoa.