Kandidà voalohany, nametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina tetsy amin’ny HCC, ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc. “Tafapetraka izany ka ampitao amin’ny vahoaka fa ho avy Dada”, hoy izy, omaly, tetsy Ambohidahy. Nambarany fa nisy fahatarana ny dingana fanomanana sy ny fakana ny antontan-taratasy teny anivon’ny biraom-panjakana. Efa mazava anefa ny toromarika nomena momba izany ary efa tokony ho afakomaly aza ny tenany no nanatitra ny dosie. Raharaham-pirenena izy ity ka tsy tokony hatao an-tsirambina eo amin’ny fandaminan-draharaha, araka ny nambarany. Nisaorany ireo nanohana sy nanampy azy. “Zava-dehibe ny fahavononan’ny vahoaka nanampy tamin’ny anto-bola 200 tapitrisa Ar. Nandray anjara mavitrika nitondra anjara biriky izy ireo”, hoy izy. Miandry ny toromarika avy amin’ny tomponandraikitra ny fomba fanefana izany fa efa vonona izy ireo.
Etsy andaniny, nambarany fa ilaina ny hijerena ny hahasoa ny vahoaka sy ny sehatra rehetra : tanora, tantsaha, mpiasam-panjakana… “Mitaky firaisan-kina izany ka mino izahay fa ho avotra ny firenena, manoloana izao fahantran’ny vahoaka izao…”, hoy izy. Naneho fahavononana hampihatra ny satan’ny fitondran-tenan’ny antoko politika koa izy. Antony nanaovany sonia izany ny amin’ny tsy tokony hifanakantsakanana sy hifampihantsiana.
Synèse R.




