Sombim-baovao

Tratran’ny areti-kibo ireo maorisianina mpilalao basikety miisa telo, omaly. Hiatrika ny lalaon’ny Nosy eto Madagasikara izy ireo. Marihina fa efa eto an-toerana avokoa izy ireo, raha ny fanazavana voaray, efa voavaha ny olana ary efa salama tsara avokoa ny mpilalao. Tsiahivina fa i Maurice, miray vondrona « A » amin’i Madagasikara.

Nifamotoana teny Mahamasina, kianja Barea ny mpiara-miasa eo anivon’ny minisitera sy ny polisy ary ny zandarimariam-pirenena. Marihina fa nanomboka ny alarobia lasa teo izy ireo no nanadio ny tanàna sy ny arabe teto an-drenivohitra. Tanjon’izy ireo ny hiainana anaty tontolo madio sy mirindra.

Amin’izao ankatoky ny fanombohan’ny lalaon’ny Nosy izao dia hery lehibe ho an’ny mpilalao, Akio Handball, ny fitsidihana sy fitsofan-drano avy amin’ny reny mpiahy toy izao. Mbola nisy koa fanomezana fitaovana entina miatrika ny fifaninanana toy izao. Fankasitrahana lehibe no atolotra an-dRamatoa minisitry ny Raharaham-bahiny, Yvette Sylla, sy ireo mpiara-miasa aminy.

Partager sur: