Nikasa hanao fihaonambe teny amin’ny Espace Yandy By Pass ny fivondronamben’ny mpanohitra rehetra, omaly. Tsy tanteraka anefa izany saingy nanao fanambarana ihany izy ireo.
Nosakanana sy nohidin’ny Emmo/Reg ny vavahadin’ity toerana ity ka nanao fanambarana teo ivelany ireto avy amin’ny fanoherana ireto. Nahitsy ny nambaran’izy ireo amin’ny tsy fanekena ny haha kandidà amin’ny fifidianana ny filoha Rajoelina Andry. “Tsy azontsika ekena ny hitondran’ny vahiny an’i Madagasikara. Tsia, omaly sy anio ary ho mandrakizay”, hoy izy ireo. Notsiahivin’ny fanambarana fa tsy iadiam-barotra sy iadian-kevitra izany fiandrianam-pirenena sy ny fahafahana izany. “Mampihetsika ny fitiavan-tanindrazana eo amin’ny isam-batan’olona sy tsy handraraka ilo mby an-doha izany. Saro-piaro amin’izany fiandrianam-pirenena izany isika”, hoy ihany izy ireo. Ambaranay ho ren-tany ho ren-danitra fa tsy hanaiky hanana filoha vahiny izany isika, araka ny fanambarana.
Miantso ny vahoaka sy ny Tafika…
Nanao antso avo amin’ny rehetra izy ireo, ny vahoaka tsy an-kanavaka, ho sahy hijoro sy hiaro ny fiandrianam-pirenena. “Manainga ireo tomponandraikitra rehetra mampiasa ny fahefana nomen’ny vahoaka sy ireo olom-boatendry. Ny Tafika na ny sivily hanaja ny lalàna ho fiarovana ny fiandrianam-pirenena”, hoy izy ireo.
Tazana teny an-toerana avokoa ireo mpanao politika eo anivon’ny RMDM, ny Panorama, ny Lera, ny MMM, ny Tim, ny HVM… Tahaka izany koa ny nahitana ireo efa nitana andraikitra ambony teo aloha teo anivon’ny fitondram-panjakana na koa ireo mpanao politika efa tsy hitahita ela.
Synèse R.