Kandidà Andrianainarivelo Hajo : “Tokony hanara-dalàna ireo prefet sy sefo distrika”

Nampitandrina ireo ma­nampahefana eny ifotony ny kandidà Andrianainarivelo Hajo. “Tokony hanara-dalàna ny prefet sy ny sefo distrika eo am-panatanterahana ny asa­ny fa tsy hanao tsindry sy ramatahora”, hoy izy tany Fandriana. Nitarika fivoriana narahina adihevitra niarahan’ny MMM sy ireo vahoaka ny tenany tamin’izany. Tsy nahasakana ny kandidà ho filoham-pirenena Andrianaina­rivelo Hajo tsy ho tonga tao amin’ny distrikan’ny Fandriana ny sakantsakana nataon’ireo mpitantana any an-toerana. Nohitsiny fa ilaina apetraka ny fanjakana manampy ny vahoaka. Mpiasam-panjakana hanompo vahoaka. Tokony hiara-kiasa amin’ny vahoaka ny olom-boafidy sy olom-boatendry ho fampandrosoana ny firenena miainga eny ifotony, fa tsy tahaka ny zava-misy ankehitriny. “Anisan’ny mampihemotra antsika ny tsy fi­sian’ny fitsinjaram-pahefana sy ny endrika fandikan-dalàna samihafa io”, hoy ihany izy.
Nampitaraina ny vahoaka ny tsy fahatanterahan’ny fampananten’ny filoha Rajoelina amin’ny hanamboarana ny lalam-pirenena faha-41, Ike­likapona-Fandriana, araka ny nambaran’ny ben’ny Tanà­nan’Imito. Misedra olana ny mponina, araka izany, eo amin’ny famoaham-bokatra… Maro ireo marary mila fitsaboana maika no maty eny an-dalana, indrindra rehefa fo­toam-pahavaratra.

Synèse R.

Partager sur: