Teny fohy sady tsotra tamin’ny alalan’ny fanehoan-kevitra. “Fanajana ny foto-kevitry ny fisaraham-pahefana no antony nahatonga ny fanapahana noraisin’ny HCC momba ny fitoriana nataon’ny mpanao politika iray any ivelany ny amin’ny fizakana zom-pirenena ananan’ny Filoha”, hoy ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Rakotondrazafy Lalatiana.
Nanteriny fa ny fahefana mpanatanteraka no omen’ny lalàna fahefana hamoaka didim-panjakana manome na manaisotra ny zom-pirenena ho an’ny olona iray. Mazava, araka izany, raha tsy misy rafi-pitsarana tokony hanapa-kevitra momba izany, araka ny didy navoakan’ny HCC. Nanteriny fa efa dila ny fe-potoana voalazan’ny lalàna koa ny fitoriana mifandraika amin’ny fifidianana nataon’ny mpitarika ny RMDM Diaspora. Nohitsiny fa tokony hifarana hatreo ny adihevitra sy ny resabe momba izany.
Synèse R.