By Pass: tovovavy nahatrarana rongony 55 gony

Natolotra ny fampanoavana omaly ity tovovavy tsy ampy taona voarohirohy ho tompon’antoka tamina fanaovana trafikana zava-mahadomelina ity. Ny alarobia 23 aogositra tolakandro, teny By Pass Mandikanamana, izy no tratran’ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina (Stup) niaraka tamin’ny rongony. Nahazo vaovao ny polisy Stup momba ny fisian’ity tovovavy mitazona rongony marobe amina trano iray eny Mandikanamana ity. Natao ny fanadihadiana sy ny fikarohana ka ny alarobia teo no nidina teny an-toerana ny polisy. Rongony miisa 55 gony, milanja 659 kg, no tratra tao an-tranony. Izy irery ihany koa no hita niaraka tamin’ireto zava-mahadomelina ireto. Nentina teny amin’ny biraon’ny polisy hanaovana fanadihadiana ity tovovavy ity. Nogiazana koa ireo zava-mahadomelina marobe ireo. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy. Mbola misy olona hafa koa miray tsikombakomba aminy saingy anatin’ny fanadihadiana ny polisy ka aorian’izany no hama

J.C

Partager sur: