Mamo ny mpamily…: taksiborosy nivadika, mpandeha 13 naratra

Taksiborosy iray an’ny kaoperativa iray mpanao fitaterana mihazo an’Antsirabe no tratran’ny lozam-piarakodia tao Tombontsoa, fokontany Tsaravavaka, kaominina An­dranomanelatra Antsirabe II, PK 158+400, afakomaly. Olo­na 13 naratra mafy. Araka ny tatitra nampitain’ny zandary misahana ny fandrindrana ny fifamoivoizana eny amin’ny lalam-pirenena, mamo ny mpa­milin’ity taksiborosy ity. Taksiborosy avy aty Anta­nanarivo tsy nitondra olona hihazo an’Antsirabe saingy nandray olona teny an-dalana. Noho izany, tsy misoratra anaty manifold ireo mpandeha rehetra tao anaty fiara. Nan­deha mafy ilay mpamily ka tsy nahafehy familiana intsony. Vokany, nivadibadika sady nitakisatra lavabe nanaraka ny arabe vao tafarina tamin’ny sisin-dalana. Potika tanteraka ny fiara. Naratra avokoa ireo mpandeha rehetra. Nisy aza tafavoaka teny ivelan’ny fiara noho ny dona mafy nahazo ny fiara. Nalefa hopitaly avy hatrany ireo naratra ka efa nahazo fitsaboana avokoa. Tsy nisy kosa ny aina nafoy na teo aza ny fahavoazana mafy nahazo ireo mpandeha. Nanamafy ny zandary fa tsy maintsy andraisana fepetra ity mpamily namoa-doza ity. Marihina fa tsy naratra fa tafavoaka soa aman-tsara tao anaty fiara. Tsy maintsy misoratra anaty manifold avokoa ny mpandeha rehetra ahafahana mamantatra ny mombamomba ireo mpandeha sy ahafahana miantso raha sendra loza toy izao, araka ny fanamirahana avy amin’ny zandary.

Jean Claude

Partager sur: