Nanambara ny fahavononany ho kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny depiote voafidy tany Ikongo, Razafintsiandraofa Jean Brunelle, omaly, teny amin’ny trano fonenany, eny Ivato.
“Mavesatra loatra ny fahantrana ary tsy hita soritra ny ho avin’ny firenena sy ny vahoaka ka nanapa-kevitra izahay”, hoy izy. Hanolotra azy amin’ izany fiatrehana ny fifidianana izany ny Antoko politika madio (APM), tarihin-dRakotoarisoa Alban (Gangstabab) raha enina ireo antoko nifampiresaka sy nifandresy lahatra taminy. Tsy maintsy avy amin’ny antoko politika ny kandidà filoham-pirenena, araka ny voalazan’ny lalàna.
Nambarany fa anisan’ny laharam-pahamehana ho azy ny famerenana ny rafitra eny ifotony nohatsaraina, manome hasina ny vahoaka amin’ny alalan’ny fanomezana andraikitra ny fokonolona. “Anisan’ ny tafiditra ao anatin’izany ny fametrahana dina ho amin’ny fandriampahalemana sy ny filaminana, hiantohana ny famokarana malalaka”, hoy izy.
Nahazo ny tsodranon’ireo olobe any an-tanàna
Etsy andaniny, nahazo ny fanohanana sy ny tsodranon’ ireo olobe sy raiamandreny ary koa ny tangalemana, any amin’ny tany niaviany, any Ikongo, ny tenany. “Niantso ahy izy ireo mba hitsangana sy hijoro ho tsy fanekena izao fahavoazana lehibe manjo ny firenena sy ny vahoaka izao ka namaly izany aho”, hoy izy. Naneho fahavononana sy nanome toky ny kandidà fa hijoro sy hiady hatramin’ny farany ho an’ny tanindrazana.
Midika izany fa tapaka tanteraka ny tadipoitra nifamatorany tamin’ny antokoben’ny fitondrana, TGV/Mapar, amin’ izao izy handeha irery, ho kandidà filoham-pirenena, izao. Mety ho depiote fahatelo ho mpilatsaka hofidina izany ny tenany raha tsy misy ny fiovana.
Synèse R.