FANTINA sy FINTINA

Haka fanapahan-kevitra ny kongresin’ny HVM, anio. Nambaran’ny filoha mpitarika, Rajaonari­mampianina Hery, omaly, tamin’ny fotoam-panokafana fa manan-danja ho an’ny fiainan’ny antoko politika ny kongresy nasionaly ka andraisana fanapahan-kevitra momba ny fifidianana.

Manohana ny fifidianana demokrarika ny Ame­ri­kanina. Nambaran’ny masoivohon’i Etazonia, i Claire Pierangelo, omaly, fa manaraka akaiky ny zotram-pifidianana izy ireo ary manohana izany mba halalaka sy marina, ao anatin’ny fanajana ny dingana demokratika. Nankahery ireo rafitra mikarakara fifidianana izy ireo hiezaka mba itokisan’ny olom-pirenena.

Mankasitraka ny firotsahan-kofidin’ny filoha Rajoelina ny ampanjaka eo anivon’ny faritra Vato­vavy, araka ny fanambaran’izy ireo. Nanome ny faritra Vatovavy izy. Mangataka ny firotsahan-kofidiny koa ny olom-boafidy eo anivon’ny distrikan’i Mananajary, Faritra Vatovavy, noho ny fanomezana Faritra sy ny fanampiany ny vahoaka.

Tomban’ezaka sy fanatsarana ny fitantananan-draharaham-panjakana no nodinihin’ny fivoriana ara-potoan’ny sendikàn’ny mpitantana raharaham-panjakana eto Madagasikara, tany Mahajanga, omaly, ahitana “assistant d’administration” sy ny “adjoint d’administration” ary ny “attaché d’administration”.

Partager sur: