TARATRY ny KANTO

Mitombo isa ireo sekoly manome hasina ny kolontsaina malagasy, mampiditra ho anisan’ny taranja ianarana, ao aminy, ny zavakanto. Mahazo vahana amin’izany ny fanorona, ny fomba amam-panao, ny asa tanana tahaka ny rary, ny fianarana mitendry zavamaneno, sns. Mbola tazana hatrany anefa fa ny sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana no maro amin’izy ireo.

« Lafo dia lafo ny manatanteraka rindrantsary any ivelany », hoy i Benja Randrianary avy ao amin’ny Groupe Ny Mino, nandalo teto an-tanindrazana. Antony iray nanatontosana ny « Ampianaro aho » sy ny « Andriamanitro ianao » teto Madagasikara io, raha ny fandaharam-potoana nomeny.

Nodimandry i Rado Rakotorahalahy, raha ny vaovao nampitain’i Nanie, mpihira anisan’ny nampiara-peo taminy. Ankoatra ny fihirana, anisan’ny toerana nahitana azy ihany koa ny fikapohana amponga maroanaka tao amin’ny tarika Johary. Mpampianatra sy mpitari-dalana amin’ny fomba fihirana izy (Coach vocal). Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana manontolo ny Gazety Taratra.

Volet Jeunesse JIOI. Hiaka-tsehatra voalohany, amin’ity anio ity, eny amin’ny Arena Ivandry, ao anatin’ny “Volet jeunesse”, mandritra ny lalaon’ny Nosy i Comores. Dihy sy hira ary teatra sy valandresaka no hita mandritra izany.

Partager sur: