Filoham-pirenena telo no tonga: nakotroka ny lanonam-panokafana teny Mahamasina

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny lalaon’ny Nosy eto amin’ny ranomasimbe Indiana, andiany faha-11. Nakotroka ny lanonana.

Nanome voninahitra ny lanonana izay tonga nanotrona ny fanokafana, ny filoham-pirenena 3 avy amin’ny Nosy Mau­rice, Seychelles ary Comores, niampy ireo andrimpan­ja­kana maro avy amin’ny Nosy rahavavy. Niatomboka tamin’ny fampandrosoana ny sainam-pirenena malagasy sy ny hiram-pirenena malagasy ny lanonana ary niafara tamin’ny seho ara-java-kanto. Nanamarika ny andro omaly ihany koa ny fahatonga­van’ny afo olympika teo amin’ny kianja Barea, izay efa niainga teny amin’ny PK 0, ka nentina namakivaky hatreny Mahamasina. Andriantsitohaina Eric, mpibata fonjam-by malagasy no nampita ny afo olympika, rehefa avy nifandimbiasan’ny atleta 23 miana­dahy nentina izany, mialohan’ny nahatongavany teny Mahama­sina. Nison­gadina nandritra ny fandraisam-pitenenan’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry fa name­traka fanamby i Madagasikara ny hanatanterahana ny lalaon’ny Nosy eto amintsika ary tan­teraka izany fanamby izany. Nambaran’ny filoham-pirenena fa vahoaka mahay mandray vahiny ny malagasy ary mahay miray hina. Izany firaisan-kina izany no hirariana hanjaka mandritra ity lalaon’ny Nosy ity. Nohamafisiny ihany koa fa tsy maintsy man­dresy i Mada­gasikara ary ho laharana voalohany no tanjona. Nanamafy izany ihany koa ny filohan’ny Commission d’organi­sation des Jeux des îles (COJI) no sady minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Nambarany fa na dia tao anatin’ ny fotoana fohy, iray taona sy efa-bolana fotsiny aza no nanomanana ny lalaon’ny Nosy, tsy nampihemotra izany.
Nidera an’i Madagasi­kara ny CIJ Niarahaba sy nidera an’i Mada­gasikara, ny filohan’ny CIJ (Comité international des Jeux) fa nahatanteraka ny fanamby napetrany. Nisy olana, hoy izy, saingy voavaha izany ka tanteraka soa aman-tsara ny lalaon’ny Nosy tontosaina eto Madagasikara. Toy ny mahazatra rehefa lanonam-panokafana toy izao, nisesy nilatro ireo atleta mendrika indrindra avy amin’ny Nosy raharavavy miisa 4 400 mialohan’ny nanaovan’ny atleta sy ny mpitsara ny fianianana. Rasoanaivo Razafy Laura (judo) no nitondra ny sainam-pirenena. Rasoari­ma­lala Claudia (rugby) sy Raho­lijaona Njaka (Han­disport) no solontenan’ny atleta nanao fianianana. Ranaivoson Haja (basikety) sy Rakoton­dra­manana Nathalia (fibatana fonjam-by) kosa no teo amin’ny mpitsara.

Partager sur: