El Hadary, Malagasy mpilalao Barea zandriny indrindra. Vao 16 taona monja ity lohalaharana malagasy ity, efa mametraka ny traikefany. Ny alakamisy lasa teo izy, nanome ny tsara indrindra avy aminy ho an’ny Barea.
Hotanterahina anio eny amin’ny ACSA Ambohidahy ny andro voalohany amin’ny taranja Tenisy, ho an’ity lalaon’ny Nosy JIOI 2023 ity. Marihina fa Rakotomalala Romeo, Malagasy mpilalao Tenisy, hifanandrina amin’i Daoud Shaheeb.
Hotontosaina rahampitso eny amin’ny kianjan’i Vontovorona ny lalao voalohany ho an’ny taranja handball, amin’ity lalaon’ny Nosy ity. Ny ekipan’i Seychelles no hihaona amin’i Madagasikara ho an’ ny vehivavy raha toa ka i Maurice ny an’ny lehilahy.