Fifaninanana : taranja 13 hiditra an-tsehatra anio sabotsy

Hangotraka manomboka anio ny fifaninanana eo amin’ity lalaon’ny Nosy andiany faha-11, ity. Tsy miandriandry fa avy hatrany dia hisy ny fiadiana ny medaly volamena eo amin’ireo taranja sasany. Miisa 13 ireo hiakatra kianja avy hatrany.

Hifantoka amin’ny fifaninanana amin’izay, ma­nomboka amin’ity sabo­tsy 26 aogositra ity, ny lalaon’ ny Nosy. Taranjam-panatanjahantena miisa 13 no hiditra an-tsehatra avy hatrany anio. Anisan’izany, ny baolina kitra, efa nisantatra ny azy ny alakamisy 24 aogositra lasa teo. Ny badminton, ny tenisy ambony latabatra, ny tsipy kanetibe, ny lutte, ny basikety, ny ady totohondry, ny fibatana fonjamby, ny lomano, ny volley-ball, ny tae-kwon-do, ny handball ary ny tenisy.
Hisy ireo mbola hiatrika ny fifanintsanana, ao kosa ireo hiady ny medaly volamena avy hatrany, amin’ity andro voalohany ity. Ny taranja haiady no hitrangan’izany. Misy ireo sokajin-danja tsy misy afa-tsy mpifaninana roa ihany ka famaranana avy hatrany no atao. Ao ny taranja haharitra valo andro toa ny basikety sy ny volley-ball, ny handball ary ny baolina kitra. Ny rugby irery ny hany tsy miakatra kianja raha tsy amin’ny volana septambra. Ankoatra izay, efatra andro avy ny faharetan’ny fifaninanana.

Taranja sy toerana hifaninana

1-Hand-ball (Gymnase Vontovorona) Famaranana (Lapan’ny fanatanjahantena)
2-Basket (Lapan’ny fanatanjahantena)
3-Baolina kitra (Elgeco Stadium ; Mahamasina)
4-Volley-ball (Gymnase Ankatso)
5-Badminton (Forello Tanjombato)
6-Tenisy ambony latabatra (Forello Tanjombato)
7-Tsipy kanetibe (Ivato)
8-Lutte (Gymnase Ankorondrano)
9-Ady totohondry (Ivato)
10-Fibatana fonjam-by (Lapan’ny fanatanjahantena)
11-Lomano (Vontovorona sy ANS Ampefiloha)
12-Tae-kwon-do (Gymnase Mahamasina)
13-Tenisy (ACSA Ambohidahy)

Partager sur: