Ny alakamisy lasa teo, tamin’ny alalan’ny fampahafantarana ny vaovao tao amin’ ny tambajotran-tseraseran’ny Malagasy rugby, vao namoaka ny anaran’ireo mpilalao mandrafitra ny Makis de Madagascar, ireo mpanazatra sy ny ekipa teknika. 12 lahy sy 12 vavy ireo hiaro ny voninahi-pirenena ary hiady ny handrombaka medaly volamena. Saika mpilalao efa zatra fihaonana iraisam-pirenena avokoa izy ireo. Ny zoma 1 septambra ny fifanintsanana eny amin’ny kianja Makis ary ny sabotsy 2 septambra ny famaranana eny amin’ny kianja Barea Mahamasina. Firenena efatra ihany ny hany hiady izay ho lohany amin’ity dia ny Malagasy, i La Réunion, Maurice ary i Mayotte.
Makis vehivavy
1-Christine, 2-Laurence ; 3-Sarindra ;
4-Monica ; 5-Claudia ; 6-Ginah ; 7-Joela ;
8-Ericka ; 9-Zaya ; 10-Yvanah ; 11-Olivia ;
12-Jinah
Makis lehilahy
1-Lahatra ; 2-Danelson ; 3-Sitraka ; 4-Tongasoa Pascal ; 5-Tsivery ; 6-Tina ; 7-Hery Nantenaina ; 8-Nofy Tiana ; 9-Jean Yves ; 10-Mickael ; 11-Tinarivo ; 12-Hajatiana Bruna