VAOVAO TAMBATRA

Mandeha ny famolavolana ny tetikasa Fly-over Anosizato. Ho raisin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola ny ampahany betsaka anjaran’ny fanjakana malagasy, ho setrin’ny fampiasam-bola avy amin’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena. Eo amin’ny sampanan-dalana RN 1 sy ny RN 58 A no hananganana io tetezana Fly-Over io.

Hampindram-bola ny Jirama ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola. Amin’ny alalan’ny Bon de trésor spéciaux, antsoina hoe BTS Jirama-4 no fomba hamoahana azy. Anisan’ny olana ara-bola tena sedrain’ny orinasa Jirama ny fividianana solika hampandehanana ireo milina mamokatra herinaratra.

Midina hatramin’ny 2 000Ar ny gonim-bary eny an-tsena nanomboka ny alakamisy teo. Manom­boka marin-toerana ny vidiny taorian’ny fiakaran’ny vidin’ny vary nafarana. Handraisana fepetra hentitra kosa ireo mbola minia manao fanararaotana tsy ara-drariny eny an-tsena. Manara-maso ny fivoaran’ny vidin’entana isan’andro ny tomponandraikitra avy amin’ny minisitera voakasika.

Tantsaha mpamokatra voly vary jeby miisa 423 avy ao amin’ny kaominina Mahatsinjo, distrika Mae­vatanana nisitraka masomboly vary sy zezika avy amin’ny tetikasa PURPA. Nozaraina tamina kaomi­nina efatra manao vary jeby ireo masomboly 5 t, zezika NPK milanja 8 460 t ary zezika organika 42 t.

Partager sur: