Ambohimanga Rova : jiolahy valo nandroba 500 000 Ar

Lasan’ny jiolahy valo lahy nitam-piadiana ny vola 500 000 Ar mahery tao amin’ny fokontany Malaza, kaominina Ambohimanga Rova, ny alin’ny zoma 25 aogositra teo. Niditra an-keriny tao amina tokantrano iray ireo olon-dratsy. Nitaky vola sady nampiasa hery tamin’ireo lasibatra izy ireo. Nokorontanin’ny jiolahy ny trano. Nodarohany ka naratra vokatr’izany ny lehilahy iray nikasa hiaro ny tenany. Nahare ny zava-nitranga, nidina ifotony ny eo anivon’ny zandarimaria ao an-toerana. Nifanojo tamin’ny fahatongavan’ny zandary, nanapoaka basy ireo jiolahy. Nandositra ireto farany. Lasany ny vola 500 000 Ar mahery niampy finday telo an’ireo tompon-trano. Nanao ny fanarahan-dia avy hatrany ny tomponandraikitry ny filaminana ao Ambohimanga. Misokatra ny fanadihadiana mahakasika io tranga io, raha ny fanamafisan’ny koamandin’ny zana-tobim-paritra Ambohimanga Rova.

Tsiferana R.

Partager sur: