Lalam-pirenena fahefatra : nosokirina tao anaty kamiao ny fatin’ilay mpamily

Namoizana ain’olona indray ny lalam-pirenena fahefatra, omaly maraina. Kamiao lehibe roa nifandona . Vokany, namoy ny ainy ny mpamily iray, 53 taona.

Nifampisokirina tao ana­tin’ny kamiao nentiny, ny fatin’ny mpamily iray niharan-doza teo amin’ny RN4, PK 202+500, fokontany Manjaka Avaradrano, kaominina Ma­ha­tsinjo, Distrika Maevatanana, omaly maraina. Niala an’Anta­nanarivo nikasa hihazo an’An­kify Ambanja io kamiaobe io. Nisy olana tampoka teo amin’ny hisatra anefa ny fiara. Nifanena tamin’ny kamiao iray an-dalana hihazo an’Anta­na­narivo. Ni­fan­dona teo no ho eo ny fiara roa, izay voalaza fa samy nandeha mafy. Potika tanteraka ny lohan’ireo ka­miao, nivadika teo amin’ny arabe.  Nifamon­jen’ny nanatri-maso navoaka ireo mpamily tra-doza sy ny mpanampy azy ireo. Potsitra tao anatin’ny kamiao nentiny anefa ny raim-pianakaviana iray 53 taona.
Naratra mafy ny mpandeha roa, lasibatra tamin’ity lozam-pifamoivoizana nahatsiravina teny amin’ny RN4 ity. Voa mafy teo amin’ny lohany ny raim-pianakaviana iray. Nentina nihazo an’Antanana­rivo izy ireo. Efa manaraka fitsaboana. Niezaka nanala ireo kamiao roa lehibe nibahana ny lalam-pirenana kosa ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona. Mandray an-tanana ny famotorana ny polisy ao Maevatanana.

Tsiferana R.

Partager sur: