Tapaka nandritra ny roa andro tetsy Andraharo ary nambara ofisialy fa kandidàn’ny HVM, amin’ny fifidianana ny filoham-pirenena, Rajaonarimampianina Hery. Miisa 13 izany izao ireo kandidà nanambara ny fahavononany hirotsaka.
“Latsaka an-katerena ny firenena ka mila fanavotana amin’ny fomba matotra sy anaty fitoniana. Hovaliko ny antsoantsonareo ka nanapahako hevitra fa hilatsaka hofidina ho filoham-pirenena aho”, hoy izy. Nambarany fa hihazakazaka hijoro hamerina ny fanjakana tan-dalàna sy ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka ary ny mpitondra ny tenany. Hamerina sy hiaro ny hasin’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ary hanamafy ny fihavanam-pirenenan araka ny nambarany. “Hiaro ny harem-pirenena sy hampiasa izany ho amin’ny tombontsoan’ny vahoaka maro anisa isika. Hanafoana ny jadona sy ny herisetra amin’ny endriny rehetra”, hoy ihany izy. Nampanantena ny tenany fa hanokana ny heriny manontolo ho amin’ny fanantenana vaovao.
Na izany aza, niaiky ny filoha teo aloha fa tsy ho vitany samirery sy ny antoko HVM izany ka niantsoany
ny rehetra. “Mila tolo-tanana izany ka hivelatra isika amin’ ny fananganana ny vovonana hanohana an-dRajaonarimampianina Hery. Iantsoana ireo mpanohana rehetra”, hoy izy. Nanteriny fa mila fahavonana sy asa izany mba hamerenana ny fampandrosoana anaty fitiavan-tanindrazana.
Synèse R.
Miisa 13 izany izao ireo nanambara filatsahan-kofidina ho filoham-pirenena ka vehivavy ny telo. Eo i Paraina Auguste, Ravalomanana Marc, Andrianainarivelo Hajo, Rakotomahanina James Franklin, Rasoamaka James, Ratsirahonana Lalaina Harilanto, Razafinjoelina Tahina, Ratsiraka Roland Iarovana, Masy Goulamaly, Ratsiraka Annick, Rasolofonoroniaina Julia Mickaelle, Razafintsiandraofa Brunelle ary Rajaonarimampianina Hery.