Mbola miahiahy! Tafapetraka ny sabotsy teo ny antontan-taratasy filatsahan-kofidin’ ny kandidà Annick Ratsiraka avy amin’ny Arema. Nisolo tena azy teny amin’ny HCC Ambohidahy ny Pr Ange Andrianarisoa. Nambaran’ izy ireo fa tsy nahitana olana ny fanangonana ny antotan-taratasy sy ny fanarahana ny pitsopitsony, takin’ny lalàna. Na izany aza, mbola an-dalam-pandinihana ny anto-bola 200 tap Ar ny kandidà. “Nanapa-kevitra ny tsy mbola handrotsaka izany ny Arema noho ny fanahiana ny tsy hisian’ny fifidianana”, hoy izy ireo.
Momba ny fikarakarana fifidianana kosa, nametraka ny ahiahiny izy ireo amin’ny tsy fahadiovan’ny fitantanana izany sy ny fisian’ny « Doublons ». Antony nanaovan’ny Arema sonia ny satan’ny fitsipi-pitondran-tenan’ny mpanao politika izany ho amin’ny fanajana ny filaminana sy ny fandriampahalemana mandritra sy aorian’ny fifidianana.
Etsy andaniny, efa vonona amin’ny fiatrehana ny fampielezan-kevitra izy ireo na ny ho enti-manana na ny fitaovana. Efa zatra ady, nahavita nitsidika distrika miisa 92 izy ireo ary mbola hotohizana izany.
Araka izany, miisa roa izao ireo kandidà nanatitra ny ampahany amin’ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina filoham-pirenena: Ravalomanana Marc sy Ratsiraka Annick.
Synèse R.