Namangy ireo naratra teny amin’ny HJRA ny avy amin’ny fiadidiana ny Repoblika sy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ary ny eo anivon’ny minisiteran’ny Tontolo iainana omaly. Nitondra fanampiana ara-bola sy kojakoja ary fitaovana samihafa ho an’ireo naratra, manaraka fitsaboana, taorian’ny tranga niseho tetsy Mahamasina izy ireo.
Nitsidika ny Rova ny filoha maorisianina, i Prithvirajsing Roopun, omaly. Nandray sy nitarika azy ireo ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina Rakotondrazafy Lalatiana. Naneho ny hafaliany ny filoha maorisianina tamin’izany. Nambarany fa nahazo fahalalana maro momba ny tantaran’i Madagasikara izy ireo.
Anisan’ireo efa teny amin’ny HJRA ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc sy ny filohan’ny Komity olympika (Kom), Randrianasoloniaiko Siteny ny alin’ny zoma sy ny sabotsy maraina teo. Nitondra fanampiana sy fampaherezana ary firariantsoa ho an’ireo mbola manaraka fitsaboana izy ireo, tamin’izany. Nampionona ny fianakavian’ireo namoy ny ainy koa.
Misy fetra ny fiaretana, araka ny nambaran’ny sendikàn’ny mpiasa eo anivon’ny Antenimierandoholona. Eo ny fitakian’ny mpiasa ny tambin-karama fanome azy ireo hatramin’izay. Mitohy amin’ny fitakiana tombontsoa hafa izany. Anatin’ny famerenana ny hasin’ny Antenimierandoholona hahazoan’izy ireo miasa an-kitsim-po.